|
|
|
|

Entry1  Ilay dobo
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Elementary words  3  ilay, dobo
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Razafintsalama Josefa
Full text 
6  Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa: 7  ny morony tontolo, zozoro manga taho; 8  anivony, tatamo mivela-bony soa; 9  ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho
10  He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana; 11  ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho; 12  tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana; 13  vivy no miria eo fa miery tsimilaho. 14  He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina,
15  fa laokan-drano maro no ao mihahohaho: 16  amalona sy trondro, mangata-koalaina; 17  ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho;
18  tsindrahaka mitady izay olona mpitia; 19  irony ondrindrano, antsirina aman-toho 20  mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria 21  dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho.
22  lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa; 23  ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro; 24  ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa; 25  miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.

Anagrams  26  abolidio, Ilay dobo

Updated on 2025/05/06